Tratra teo am-panosehana moto halatra teo anoloan’ny Lapan’ny faritra Atsinanana Razafiarison Juvet Gerard, 30 taona. Mipetraka ao amin’ny fokontany Mangarivotra Parisela 21/52 ity jiolahy ity sady miasa amina orinasam-piambenana tsy miankina iray. Lasa nihazo an’i Vatomandry avokoa ny mpiasa eo anivon’ny faritra ka somary mangingina teo an-toerana. Moto an’ny talen’ny sampandraharaham-panjakana misahana ny varotra sy ny fanjifana nipetraka eo anoloan’ny Lapan’ny faritra no natosik’ity jiolahy ity. Nisy nahatsikaritra anefa izy teo am-panosehana ilay moto. Fantatr’ity tomponandraikitra ity fa moto-n’ny tale misahana ny varotra sy ny fanjifana io. Namaly ilay olon-dratsy ka nilaza izy fa hoe azy ilay moto. Nolazainy fa velona ilay moto dia natosiny. Nandritra izany anefa, efa nampandre an’ny tale sy niantso polisy ity tomponandraikitra ity. Fotoana fohy taorian’izay, tonga teny an-toerana ny polisy nisambotra azy. Fantatra nandritra ny fanadihadiana savaranonando fa tena nangalatra ity moto ity tokoa izy. Teny ivelan’ny Lapan’ny faritra fa tratra i Juvet. Voalaza fa ao anatina tambajotran-jiolahy mpangalatra moto izy. Misy rahateo ny olona efa mandray ny moto halatra sy manova izany, araka ny fanazavany.
Sajo