Vahoaka hendry

 

Mazava ny lalan-komban’i Madagasiraka ! Na krizy lavareny, na fifidianana. Mampibaribary ny kandidà 11 mirahalahy, na misy aza ny misababaka. Tsy hilalao eny an-kianja izy ireo raha mbola tsy miova ny mpikarakara sy mpitsara ny lalao. Tsy handray ny fiaingana izy ireo raha mbola izao ny fitsipi-dalao. Manomana paikady hafa mihitsy ny vondron’ny kandidà ka ho hita eo izay havoakan’ny ampitso.
Mahoraka fa hafanavay ny hetsi-bahoaka androany. Voalaza fa hanao izay fara-heriny izy 11 mirahalahy sy ny mpiara-dia aminy. Tsy manam-pidiny rahateo izy ireo. Raha mandroso toa ho faty renibe, tsy haharesy ny kandidà tokana, ifanandrinana. Raha hihemotra indray handiso fanantenana ny mpanara-dia, izay nitombo an-dalana tato anatin’ny roa andro. Ny vahoaka rahateo tsy hanaovana ity fomban-jaza milalao lelo ity. Mivoaka miditra! Misababaka!
Manoloana izany, tsy azo hodian-tsy hita ny fiziriziri­an’ny kandidà laharana fahatelo. Mahitsy ny zotra ho an’ny ekipan’i Andry Rajoelina. Amin’ny 9 novambra ho avy izao no fotoana. Efa nametrapetraka ny rafitra handrindra ny fampielezan-kevitra rahateo izy sy ny mpiara-dia aminy. Efa mivonona ihany koa amin’ny famoriam-bahoaka. Tsy eto an-drenivohitra fa hatrany amin’ny faritra no hanaovany izany. Tsy mahagaga ny vakisehatra hatao any amin’ny renivohi-paritany izay hotarihiny.
Ny rafitra mpikarakara ny fifidianana rahateo, milaza fa vonona tanteraka amin’ny zava-drehetra. Manao toy ny tsy misy ny hetsik’izy 11 mirahalahy. Tsy misy manohina na mihaino izay fitakiana ny fanovana ny Ceni sy ny HCC. Mbola manamafy ny toerana sy ny maha marim-pototra sy ara-dalàna azy ireo rahateo ny governemanta ifarimbona.
Raha zohiana ireo, samy mitondra ny lohany ny mpanao politika. Ny vahoaka sisa no tompon’ny baolina. Vahoaka hendry, vahoaka milamina!

r.r

Partager sur: