Ambovombe Androy : nahomby ny foara Voatse

Nifarana ny sabotsy 7 oktobra 2023 teo ny foara Voatse, natao tany Ambovombe, faritra Androy. Tonga marobe ny vahoaka nandritra ity fotoana ity, taratra sahady amin’ny fahavononan’ny rehetra hampandroso ny faritra Androy, entina hiadiana amin’ny fahantrana sy ny kere. Nanomboka ny 4 hatramin’ny 7 oktobra ity foara Voatse, andiany voalohany ity, nahitana mpandray anjara maherin’ny 20, avy amin’ny seha-pihariana samihafa matanjaka any an-toerana. Toy ny fambolena, ny fiompiana, ny jono, ny taozavatra, ny fizahantany, ny kolontsaina, sns.
Fotoana nihaonana mivantana teo amin’ny mpamokatra sy ny mpamatsy akora, ny mpisehatra ara-toekarena samihafa, toy ny banky sy ny famatsiam-bola madinika, ny fifandraisan-davitra, sns. Marihina fa anisan’ny mpanohana mivantana ny foara Voatse I ny orinasa Airtel.
Anisan’ny nanatrika nanome voninahitra ity fotoana famaranana ity ny minisitry ny Jono sy ny Toekarena manga, sady mpiahy ny faritra Androy, Mahatante Paubert. Teny filamatra noraisina ny hoe «Faritra Androy tsy maintsy mandroso no tanjona».

Njaka A.

Partager sur: