« Cosafa Cup » : lalao am-boninahitra sisa no ataon’i Madagasikara

Fiarovana ny voninahitra sisa no lalao miandry ny Barea amin’ity fifaninanana « Cosafa Cup », taranja baolina kitra, sokajy vehivavy ity. Faharesena faharoa izay no azon’izy ireo, lavon’i Afrika Atsimo, mpampiantrano tamin’isa 3 no ho 1 i Madagasika­ra, nandritra ny andro faharoan’ny fifanintsanana isam-bondrona ho an’ny sokajy “A”, izay natao ny sabotsy lasa teo. Araka izany, tsy tafita amin’ny dingana manaraka izy ireo saingy mbola manana lalao farany izay hihaonany amin’i Malawi, rahampitso.

Raha hiverenana ny fihaonana teo amin’i Afrika Atsimo sy i Madagasikara, nisaraka ady sahala 1 no ho 1 ny roa tonta teo amin’ny fizaram-potoana voalohany. Nitaky tamin’ireo mpilalaon’i Barea ny harerahana ary mora tamin’ireo tompon’ny kianja ny nampiditra ny baolina roa ka nahazoany ny fandresena. Isa 3 no ho 1 no nisarahan’ireto ekipam-pirenena roa ireto, resy i Madagasikara.
Marihina fa ny Cosafa, nanomboka ny 4 oktobra lasa teo ary ny 15 oktobra no hifarana. Tsiahivina fa ny 14 oktobra ho avy izao, eto Antananarivo, hisy ny fifidianana izay ho filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Miisa dimy ireo kandidà nirotsaka hofidina amin’izany.

Fitia Randria

Partager sur: