Fampisehoana “Kontroller”: tanjona ny hampiroborobo ny « Pantsula »

Ao anatin’ny fivelarana tanteraka ny “Pantsula” ankehitriny, indrindra ny eto Afrika. Maro ny hetsika karakarain’ny tomponandraikitra amin’ny fanatanterahana izany tanjona izany, ary hitohy amin’ny toerana hafa.

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Alliance française d’An­tananarivo (Aft) Andavamamba, ny fampisehoana « Kontrol­ler » niarahana tamin’ny vondrona mpandihy avy any Afrika Atsimo, Fishers of man & Lucky dance theater. Seho nanehoana ny karazana dihy « Pantsula », dihy avy any Afrika Atsimo, no natao nandritra izany. Nandray anjara tao anatin’izany niaraka tamin’ ireto mpandihy avy atsy Afrika Atsimo ireto ireo Malagasy mpandihy, nanaraka ny atrikasa sy fampiofanana nokarakarain’ny Fishers of man & Lucky dance theater. Ao anatin’ny fampiroboroboana sy fampivelarana ity karazana dihy ity ireto tarika ireto amin’izao. Raha ho an’ny eto Madaga­sikara manokana, liana sy mankafy ny « Pantsula » ny Malagasy, ary vonona ny hampivelatra izany ireo vondrona Malagasy mpandihy.
Talenta maro samihafa no hita teny an-toerana ny faran’ ny herinandro teo. Niara-nankafy ny dihy “Pantsula”, tao anatin’ny seho “Kontroller”, ny Malagasy mpankafy dihy tonga nanatrika. Karazana dihy tena mampiasa vatana sy mihetsikabe ny “Pantsula”. Tao Town ships, Afrika Atsimo, ity karazana dihy ity. Eto Madagasi­kara ny tarika Fishers of man & Lucky dance theater ankehi­triny, mampahafantatra sy mampianatra ny “Pantsula” amin’ny Malagasy, indrindra ny tanora. Nisy ny hetsika nampianarana izany, teny amin’ny Aft Andavamamba sy teny amin’ny CGM Analakely, ny herinandro lasa teo. Raha ny nambaran’ny Afro Mada Danse, vondrona Malagasy mpandihy miangaly ny dihy avy ao Afrika, dia manana ny maha izy azy tokoa ity dihy ity, ary taratra sahady ny fivela­rany.

Lin

Partager sur: