Fanokafana ny taom-pianarana 2023-2024: naneho ny halehibeny ny Fi.Mpi.Ma maneran-tany

Fikambanan’ny mpikabary malagasy maneran-tany (Fi.Mpi.Ma maneran-tany). Nosokafana ny sabotsy teo, tamin’ny fomba manetrike­trika, nanaraka ny fenitra Fi.Mpi.Ma ny taom-pianarana kabary 2023 – 2024 eo ani­von’ity fikambanana zokiny indrindra amin’ny fikajiana sy fampivelarana ny kabary malagasy ity. Fotoana nanehoan’ Andriamboavonjy Hanitra, filohan’ny Fi.Mpi.Ma maneran-tany, tamin’ny alalan’ny tarehimarika ny halehiben’ny sehatra iasan’ny fikambanana.
Ny taom-pianarana 2023 teo no maro indrindra ny mpianatra navoakan’ny Fi.Mpi.Ma tao anatin’ny 60 taona nitsanganany. Nahatratra 2 500 izy ireo ka Antsirabe no maro indrindra satria nahatratra 1 042. Miisa 317 ireo mpampianatra niara-nisalahy tamin’ny fampianarana. 259 kosa ny toeram-pampianarana (eto Madagasikara sy any ivelany).
Marihina fa tamin’ny ala­lan’ ny « Zoom » sy « facebook » no nanatanterahina ity fano­kafana ny taom-pianarana 2023 – 2024 ity. Samy nanao ny hetsika nifanandrify tamin’ izany kosa ny sampana tsi­rairay.
Taorian’ny fanokafana na­naraka ny fenitra Fi.Mpi.Ma, niroso avy hatrany tamin’ny atrikasa ho an’ireo mpampianatra na ho an’ireo maniry ny ho mpampianatra (andiany faharoa) ny fandaharam-potoana. Nomarihin’Andriam­boavonjy Hanitra fa maro ny vita fa mbola misy ihany koa ny asa miandry.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: