Fiaina mba aoka…

 

Ho raikitra sy ho tanteraka hatramin’ny farany ihany ve? Tsy inona fa ny fifidianana filohan’ny Repoblika. Hanomboka rahampitso ny fampielezan-kevitra. Tsy miandry ny tsy afaka na tsy te handeha. Tsy efa mba miova sy ovaina amin’izay ny fomba fanaovana politika? Na ny fiaina politika… Mila fahamatorana sy fahatokisan-tena izany, faharetana sy fiaretana. Fa tsy andramandramana avokoa itsy sy iroa, ka na izay manao izany aza mamita-tena amin’ny tsy antony: tsy fantatra sy tsy voadinika mialoha izay mety ho vokatry ny atao sy tenenina, tsy voatery ho araka izay heverin’ny tena ny fandehan-draharaha…
Iza na inona no ndeha homen-tsiny rehefa midona amin’ny rindrina ny paipaika sy kajikajy politika… tsy ahombiazana fa fahavoazana? Ny fomba fiaina politika no mila ovaina, raha tsy mihevitra sy tsy miraharaha izay mety ho fijeriny sy ho fihetsiky ny hafa manoloana izay lazaina sy ataon’ny tena. Sao diso paika ka matim-bela? Amin’izao fifidianana izao, ny vahoaka no hoe tompon’ny teny farany sy andriamanjaka. Hatraiza ny fanomezan-kasina azy? Tsy bodo na bado ny vahoaka. Mitondra inona ho azy izay lazaina sy atao? Indrindra amin’izao fotoan’ny fampielezan-kevitra hanomboka izao…
Tsy fandriampahalemana, vidim-piainana, tsy fisian’ asa… Izany izao no zava-dehibe sy mahamaika ny vahoaka? Koa ny fomba fiaina mba aoka… Aoka ahoana moa? Mba tsy hisy fitaka sy fanakorontanana, tsy fanabadoana na fiheverana azy tsy maharaka inona rehefa tsy mia­raka amin’ny tena… Mba aoka ny fiainam-bahoaka, fa ny vahoaka no hitsara ny tena na inona na inona atao sy lazaina. Manana ny fijeriny sy ny fanapahan-keviny ny hoe maro anisa, na tsy mihetsika sy mangina aza.

R. Nd.

Partager sur: