Hivoaka ny 3 novambra izao ny didim-pitsarana ho an’ireo fito miandahy nigadra noho ny fivarotana héroïne tetsy 67 Ha.
Lehilahy telo ary vehivavy efatra notanana am-ponja eny Antanimora, ny zoma 6 oktobra teo. Taorian’ny fitsarana azy ireo teny amin’ny fitsarana Anosy, mbola nitohy ny fihazonana am-ponja ireto voalaza ho mpivarotra zava-mahadomelina mahery vaika ireto.
Voasambotra teny amin’ny faritry ny 67 Ha, ny 14 jona teo izy ireo. Nidina ifotony nanao ny fanamarinana ny polisim-pirenena tamin’io fotoana io rehefa nahazo loharanom-baovao tamin’ny tsara sitrapo. Tokantrano iray tao an-toerana voatondro ho mivarotra héroïne. “Lehilahy iray vadin’ny iray tamin’ ireo efatra vavy voasambotra no tompon’io zava-mahadomelina io”, hoy ny loharanom-baovao. Tsy hita popoka anefa io lehilahy io.
Etsy ankilany, tsy afa-bela fa nentina natao famotorana ireo fito mianadahy ary izao mbola any am-ponja izao. Tratra tao ambany rihan’ny trano fonenan’ireto olona voasambotra ireto ny fonosana rongony mahery vaika. Hivoaka ny 3 novambra izao ny valim-pitsarana azy ireo. Marihina, anisan’ny manimba ny tanora amin’izao fotoana ny fiankinandoha amin’ny fidorohana io karazan-java-mahadomelina mahery vaika io.
Tsiferana R.