Kitra – D2 Nasionaly: tafita OPL ny KFCA Diana sy ny FC Inate Vakinankaratra

Nifarana omaly alahady, tao amin’ny kianjan’i Barika­dimy Toamasina ny fifaninanana “Poule des AS”, ho an’ny diviziona faharoa, taranja baolina kitra eto amintsika. No­rombahin’ny KFCA Diana ny amboarabe sy ny lelavola 6 tapitrisa Ariary rehefa lavon’izy ireo tamin’ny isa 3 no ho 1 ny FC JM Androy. Ny ekipan’ny FC Inate Vakinankaratra no manampy azy ireo any amin’ny fifaninanam-pirenena “Orange Pro League (OPL)” amin’ny taom-pilalaovana 2023-2024.
Raha ho fintinina ny fihaonan’ny roa tonta, isa 2 no ho 1 no nentina niala sasatra. Minitra faha-35, nahazo karatra mena i Jonah, mpilalaon’ny FC JM Androy. Teo amin’ny fizaram-potoana faharoa, niezaka nanindry ny mpilalao avy any Androy saingy azon’ny mpiandry haraton’i Diana izany. Tany amin’ny minitra farany, (90 min+5) no nahatafiditra ny baolina fahatelo ho azy ny KFCA. Araka izany, nifarana tamin’ny isa 3 no ho 1 ny fifanandrinan’ny roa tonta, resy ny FC JM Androy.
Ankoatra izay, resin’ny FC Inate Vakinankaratra, 4 no ho 1 ny 3FB Alaotra Mangoro.

Fitia Randria

Partager sur: