TARATRY ny KANTO

Musée de la Photographie Anjohy. Nisokatra ny 6 oktobra 2023, eny amin’ny Musée de la Photographie Anjohy, ny fampiratiana « Voyage en pays Bara et Vezo ». Rantin-tsary anehoan’i Jacques Fablée ny talenta amin’ny fanehoana an-tsary ny hakanton’ny tontolo amin’iny foko Bara sy Vezo iny.

Madajazzcar. Hameno ny ivon-toeran’ny kolontsaina maro samihafa eto Antananarivo indray, ny hetsika “Festival International Madajazzcar” ny alarobia izao. Anisan’izany ny fampisehoana eny amin’ny Oniversi­ten’Antananarivo sy ny eny amin’ny Aft Andav­a­mam­ba. Mpiangaly Jazz manana ny maha izy azy avy eto an-toerana sy avy any ivelany no hanafana ny hetsika.

Sehatra mampivelatra, saingy, mety hanimba ny talenta ihany koa ny tambajotran-tserasera rehefa tsy voafehy. Olana lehibe anefa ny fifehezana azy ity, satria, tsy ireo mpandefa na ireo mampahafantatra ny kanto vitany ihany no mampiasa azy fa ny olon-drehetra afaka mikirakira izany. Manjary habaka hitsarana na hifampitsarana ho an’ny zavakanto ny “facebook”. Tsy hamoaka ao, anefa, toa tahaka ny tsy manao na inona na inona.

Fivelaran’ny teny malagasy. Samy manana ny laharampahamehana! Ao ny milofo fatratra amin’ny fandikan-teny fa misy kosa ireo mpikaroka miezaka hamerina na hamoha ireo voambolana na teny malagasy fahiny tsy heno intsony ankehitriny. Itoviana anefa ny tanjona: teny malagasy velona sy miaina ary mivelatra. Na ilay voalohany, na ito faharoa, samy ilaina avokoa, noho izany, zava-dehibe ny mampahafantatra amin’ny ala­lan’ny boky ireo voka-pikarohana.

Partager sur: