Toekarena manga : fotodrafitrasa 7 hampandrosoana ny jono

Manana ny lanjany amin’ ny lafiny fampandrosoana eto amintsika ny sehatry ny jono, satria manana fari-dranomasina midadasika i Madagasi­kara. Manana paikady mazava ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga, misahana izany ao anatin’ny fandaharanasa «Fampandrosoana sy ny jono sy ny harena an-dranomasina».

Maro ny zava-bita tamin’ izany, ka miisa fito ny karazana fotodrafitrasa namboarina ho fitahirizana sy fanodinana ny hazandrano, avy amin’ny famatsiam-bola madio (PIP) an’ny minisitera. Toy ny na­metrahana toby fampanga­tsiahana (unité de froid) miisa roa any Ambatondrazaka sy Morondava. Miisa roa ny toby fanodinana trondro any Mi­andrivazo sy Manakara. Misy ny toeram-pitahirizana vokatra any an-tsena, miisa roa any Maevatanana sy Morombe. Eo koa ny fametrahana fari-pampivoarana ny fiompiana trondro any Ihosy.

Manampy ireo, miisa 16 ny fotodrafitrasa avy amin’ny tetikasa “Swiofish” andiany faharoa. Toy ny birao fiasana miisa 4 any Ambanja, Feno­arivo Atsinanana, Toliara ary Ambovombe. Misy koa ny
toerana fampidinana entana (débarcadère) iray any Am­banja. Eo koa ny fotodrafi­trasa mikasika ny jono miisa 11, ka any Maroantsetra ny 2, any Mananara Avaratra ny 1, any Ambilobe ny 3, any Nosy-Be ny 2 ary any Ambanja ny 3.

Njaka A.

Partager sur: