VAOVAO TAMBATRA

Voarara ny fihinanana ny henan’ny antsantsa sy ny « sardine », any amin’ny faritra Analanjirofo, manomboka amin’ity volana oktobra 2023 ity, hatra­min’ny volana mai 2024. Noraisin’ny fanjakana ity didim-pitondrana ity, hisorohana ny mety ho fanapoizinana amin’izao vanim-potoana mafana izao.

Nindram-bola amin’ny Banky koreana Exim Bank ny fanjakana. Natao hanatanterahana ny tetikasa fanamafisana ny tambajotra fitaterana herinaratra eto Madagasikara (Prirtem I) izany. Ho raisin’ny fanjakana an-tanana ny haba sy ny hetra ao anatin’ity fifanarahana ity.

Mandeha ny asa fanamboarana ny tetezana Saharamy any Analanjirofo. Mampitohy kaominina miisa 5 ity tetezana ity, amin’i Mananara sy Antanam­baobe, Antananarivo, Sandrakatsy, Ambatoharanana ary Tanibe. Vinavinaina ho vita mialoha ny faran’ny taona 2023 ity fotodrafitrasa ity.

Hanomboka tsy ho ela ny fanarenana ny ampahan-dalana eo amin’ny «rond-point» Anosi­zato mandalo ny Fasan’ny Karana. Efa nivoaka ny fifanarahana amin’ny orinasa hanao azy, izay tsy maintsy vitaina mialoha ny faran’ity taona ity. Anisan’ny tena ratsy, mampitohana fifamoivoizana iny ampahan-dalana iny.

Partager sur: