Namoy ny ainy voatifitry ny jiolahy ny raim-pianakaviana iray tao Ambasatrana, Betagnatagna, faritra Melaky, ny alin’ny 4 oktobra lasa teo. Nitondra fitaovam-piadiana, niditra an-keriny tao amin’ny trano fonenan’io lehilahy io ireo olon-dratsy. Nahatsikaritra ny fisian’ireto farany, niakatra niafina tao ambony tafo ny tompon-trano. Norobain’ny jiolahy ny vola nitetina 400 000 Ar. Lasan’izy ireo koa ny firavaka volamena an’ny ramatoa vadin’io raim-pianakaviana io. Tetsy an- kilany, nisavasava ny trano ary nanakorontana izany ny mpandroba. Niezaka nitady ilay raim-pianakaviana izy ireo. Hitan’ireo jiolahy fa niafina tao ambony tafo io lehilahy io ka notifiriny avy hatrany. Maty tsy tra-drano noho ny ratra nahazo azy ilay lasibatra. Tsy manana omby ireo voaroba ireo fa mpivarotra zanakazo ny asany, araka ny loharanom-baovao. Avy namonjy fivoriana teto Antananarivo io lasibatra io izao tra-doza izao. Ahina ho nandrasan’ireo jiolahy kendry tohina andro vitsy taorian’ny fahatongavany tao an-tanàna ity lehilahy ity. Nitsoaka avokoa ireo nahavanon-doza. Manao ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana ao an-toerana.
Tsiferana R.