Ao anatin’ny fanomanantena tanteraka, hiatrehana ny fifaninanana iraisam-pirenena “World Jiu-Jitsu Championship” hatao any Abu Dhabi, amin’izao, ireo solontena malagasy. Araka ny tapaky ny avy eo anivon’ny kaomisiona teknika manaraka akaiky ireo Malagasy mpikatroka ireo, handray anjara amin’ny sokajy “Amateurs” ihany koa ny Malagasy. I Christian, tepana fotsy, -62 kg, i Tafita, tepana fotsy, -69kg ary i Rajo, tepana manga, -62kg, no hifaninana amin’izany sokajy “Amateurs” izany. Tsiahivina fa ny sokajy telo “Youth”, “Masters” ary “Profressional” ihany no voafaritra fa hifaninan’ny Malagasy mpikatroka tany am-piandohana ary izao niampy ny sokajy “Amateurs” izao. Tsiahivina, 13 mianadahy ny hisolotena an’i Madagasikara any Abu Dhabi, ny 1 hatramin’ny 11 novambra izao. Toy izao ny fitsinjarana ireo Malagasy atleta: Andro faha-1-2: Adriano Youth men / Gi / White belt / -60kg. Andro faha-3-4: Nofy Girls Gi / Teen / Orange/Green belt / -63kg. Andro faha-5: Christian Men’s Gi / White belt / Amateur / -62kg Tafita Men’s Gi / White belt / Amateur / -69kg Rajo Men’s Gi / Blue belt / Amateur / -62kg. Andro faha-6-7: Linjo Women’s Gi / Purple belt / Master 1 / -62kg Zo Aina Men’s Gi / Brown belt / Master 2 / -85kg Séraphin Men’s Gi / Black belt / Master 2 / -77kg. Andro faha-8-9-10: Tojo Men’s Gi / Purple belt / Pro / -56kg Diary Men’s Gi / Purple belt / Pro / -62kg Tsinjo Men’s Gi / Purple belt / Pro / -62kg Fifaliana Men’s Gi / Purple belt / Pro / -69kg Andy Men’s Gi / Brown belt / Pro / -85kg
Mi.Raz