Hahemotra ny “Full Moon Party”. Hetsika iray saika hotontosaina any Toamasina, mandritra ny roa andro sy alina izy io, ny 27 sy 28 oktobra ho avy izao. Noho ny toe-draharaha misy eto amin’ny firenena anefa, voatery ahemotry ny mpikarakara amin’ny fotoana manaraka izany. Mazava loatra fa amin’ny fotoana diavolana, araka ny anaran’ny hetsika ihany. Tsy maintsy hisy, raha ny fampanantenan’izy ireo.
Guy Pradel. Anisan’ireo miranty eny amin’ny tranomboky monisipaly Analakely, ny “De l’arbre de la connaissance”, haikanto nataon’i Guy Pradel. Mpahay kanto Frantsay, fanta-daza eo amin’ny fanaovana haikanto ankehitriny ity farany, ary nanolotra izany haikantony izany ho ravaky ny Tranomboky monisipaly.
Nametra-pialana, omaly, ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina. Nanao veloma ireo mpiara-miasa aminy, tetsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy izy, nandritra ny fananganan-tsaina. Nambarany fa noho izy lehiben’antoko ka hiroso amin’ny fampielezan-kevitra no anton’izany, mba ho fanarahan-dalàna. Nialoha izao, efa nanao jery todika ireo asa vita nandritra ny 4 taona sy valo volana mahery nitantanany ny minisitra.
“Vox Angel vivace”. Tanterahina anio tolakandro, eny amin’ny IFM Analakely, ny seho an-tsehatra “Concert Classique de Midi Vox Angel Vivace”. Fampisehoana ahenoana mozika milamina, iangalian’ny vondrona tanora manana ny maha izy azy.