Cosafa Cup : lavon’i Malawi i Madagasikara

Notanterahina omaly ta­lata 10 oktobra, tany Afrika Atsimo, ny andro faran’ny fifanintsanana isam-bondrona ho an’ny sokajy «A», amin’ity «Cosafa Cup», taranja baolina kitra, vehivavy, ity. Resin’i Malawi tamin’ny isa 3 no ho 1, i Madagasikara tamin’izany.

Araka izany, ity no faharesena fahatelo azon’ny Barea de Madagasikara nandritra ity fifaninanana ity.

Nanjakan’ny mpilalaon’i Malawi tanteraka ny fihaonana tamin’ity. Izy ireo no nitarika tamin’ny isa 3 no ho 1 nandritra ny fizaram-potoana voalohany. Nijanona tamin’io isa io ihany moa ny lalao, resy ny vehivavy Barea. Tsy nahita fandresena mihitsy ny Ma­lagasy tamin’ity “Cosafa Cup 2023”, izay atao atsy Afrika Atsimo, ity.

Tsiahivina fa ny 4 oktobra lasa teo, niondrika teo ana­trehan’i Eswatini, 2 no ho 1 isika, nandritra ny andro voalohany. Lavon’i Afrika Atsimo, mpampiantrano, 3 no ho 1 teo amin’ny andro faharoa.

Ankoatra izay, ny 14 ok­tobra ho avy izao, eto An­tananarivo, hisy ny fifidianana izay ho filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Miisa dimy ireo kan­didà nirotsaka hofidina amin’ izany.

Fitia Randria

Partager sur: