Nihena ny lanjan’ny famakiana boky, tato ho ato, noho ny fivoaran’ny teknolojia, izay manamora ny fiainan’ny olona, eny hatramin’ny fanaovana fikarohana.
Anisan’ny loharano ahafahana manovo fahalalana ny vaky boky. Etsy andaniny, mihena ny mpamaky ireo boky mirakitra voka-pikarohana sy fanadihadiana. Etsy ankilany, nahitana fiakarany ny tahan’ny mpanjifa sy mpamaky ireo boky fialana voly. Raha ny taty aorian’ny fihibohana no jerena. Ankoatra ny firoboroboan’ny teknolojia, maro ny antony mahatonga izany fahasamihafana misy eo amin’ny isan’ny mpamaky boky, araka ny karazany izany. Na eo aza izany rehetra izany, mbola mitoetra ho loharanom-pahalalana hatrany ny boky, ary maro ireo manam-pahaizana manosika sy manolo-kevitra ny amin’ny tokony hamakiana boky.
Fialamboly, fitrandrahana fahaizana sy fahalalana no mahatonga ny olona iray hamaky boky. Araka ny nambaran’ny tomponandraikitra eny anivon’ny trano famakiam-boky, misarika ny olona iray hamaky boky ny endriny ivelany. Izay vao ny ao anatiny. “Mahatazona ny mpamaky elaela kokoa eo am-pamakiana ny boky misy sary noho ny tsy misy. Tsy mifidy taona fa mitombona amin’ny zara taona rehetra izany”, hoy Zafimalala Brigitte, mpiandraikitra ny trano famakiam-boky eny Anosy.
Raha ny mahakasika ny boky mirakitra valim-pikarohana sy fanadihadiana kosa, vitsy no tonga mijery izany, raha ny eny amin’ny trano famakiam-bokin’ny Oniveriste, eny Ankatso. Raha ny nambaran’ny tomponandraikitra, antony mahatonga izany ny hakamoan’ny mpikaroka hamaky. Eo ihany koa ny teknolojia izay efa manamora ny fikarohana antotan-kevitra. Ankoatra izay, ireo boky amin’ny teny vahiny no be mpamaky sy mpanjifa raha oharina amin’ny teny malagasy. Ny faniriana te hizatra sy hahafehy ny teny vahiny no mahatonga izany, hoy ny tomponandraikitra.
Lin