Manohana ny ezaka hitandroana ny fahamarinana ny FFKM, araka ny fanambaran’izy ireo omaly, tetsy Ampandrana. Nanterin’izy ireo fa mba hisian’ny fandriampahalemana sy ny fitoniana izany. “Efa nanao ny ezaka hitadiavam-bahaolana izahay hisian’ny fitoniana mialoha ny hidirana amin’ny fampielezan-kevita sy ny latsabato”, hoy ihany ireo filoham-piangonana.
Samy nanao hetsika am-pilaminana, ny tany Mananara Avaratra sy Antsirabe, omaly. Manohana ny fitakian’ny Vondron’ny kandidà 11 izy ireo amin’izany, tamin’ny alalan’ny diabe sy filanjana sora-baventy. Maro ireo nanohina ny antso tamin’izany ary samy nitaky ny fahamarinana sy ny tany tan-dalàna avokoa izy ireo.
Nanao diabe iadiana amin’ny tsy fanarahan-dalàna sy ny amboletra ataon’ireo andrimpanjakana ny solontenan’ny kandidà 11 ao Mahajanga, omaly. “Tsy ananana tahotra sy henamaso ny tolona hanavotana ny firenena”, hoy izy ireo. Nitaona ireo hery velona rehetra sy ny mponina hanatevin-daharana azy izy ireo amin’ny hetsika ataony.
Manameloka ny fampiasana ireo mpitandro ny filaminana ho lasa herim-pamoretana manoloana ny vahoaka malagasy maneho hevitra ireo fivondronamben’ny mpiasa malagasy. Manameloka ny fandrahonana ho faty ny filohan’ny Antenimierandoholona mba tsy hanekeny handray ny asan’ny filoham-pirenena mpisolo toerana ihany koa izy ireo.