Misafidy ny hametraka sy hanamboatra karazana zaridaina hafakely (jardin miniature) ny ankamaroan’ny olona, raha ny fanadihadiana natao. Niainga avy amin’ ny zavakanto japoney ny niatombohan’ny fanamboarana azy.
“Manonofy mahita dobokely na lehibe misy riandrano, loharano, tanàna maro samihafa any amin’ireo toeram-pialantsasatra maro samihafa eto amin’ny Nosy, rehefa mahita ny jardin miniature”, hoy Hanitra, mpankafy ny vokatra, mipetraka eto Antananarivo. Loharano ho singa ara-javakanto an-tanàn-dehibe na ambanivohitra ny “jardin miniature”. Hita eny an-tokotany, zaridaina, kianja na amin’ny toerana tsy manam-paharoa ao amin’ny tanàna iray izy ireny amin’ny ankapobeny. Niainga tamin’ny aingam-panahy sy avy amin’ny fisainana Zen, ny namoronana ity zaridaina hafakely ity, raha ara-tantara. Tanjona ny hanasongadinana sy hampisehoana ny maha zava-dehibe ny toerana iray. Zavakanto tena ilaina ny fananana azy any an-trano, raha ho an’ny japoney. Nohajain’izy ireo fatratra izy ireny satria anisan’ny zaridaina iray nanana ny lazany sy maro mpahafantatra tany amin’ny firenena tandrefana. Fantatra tamin’ny anarana hoe: “Jardin Zen” na “Karensansui”. Ankoatra ny maha haingon-trano azy, fomba iray hanehoana ny fanaovana “méditation”, mifandray amin’ny foto-kevitra bouddhisme ihany koa izany, ho azy ireo. Nandraisana ny “moines » voalohany tamin’ny fotoam-pitsapana lavareny ny fanaovana “jardin miniature” tamin’izany.
Mampiseho loharano
Anisan’ny orinasam-pianakaviana iray manao io asa tanana “jardin miniature” io ny jardin tami, etsy Anjanahary II, eto Antananarivo. Manao asa tanana mampiseho ny fisian’ ny loharano maro samihafa, toerana, tanàna kely. Vita
amin’ny beton sy vato ary haingoana voninkazo “plantes grasses” ny asa, ho azy ireo manokana. Mampiasa rano ho haingon’ny zaridaina hafakely ihany koa izy ireo. Nandritra ny fihibohana, vokatry ny fisian’ ny valanaretina covid-19 teto amin’ny firenena, ny antony nahatonga azy ireo namorona ny asa, raha ny fanazavana. Ramanantsoa Mirindra, tovolahy kely, 12 taona, nanao ny asa teo anivon’ity tokantrano ity no niaingan’ny aingampanahy. Nilalao teny an-tokotany foana izy nandritra ny fotoana fihibohana ary tia manamboatra tranokely amin’ny alalan’ny vato sy tany. Nahavita trano kely tamin’ny vato ary nasiany voninkazo kely izany ho haingony. “Rehefa hitanay tao an-tokantrano izany, nohatsarainay ary navoakanay ho hitan’ ny olona, tamin’ny alalan’ny tambazotran-tserasera avy eo”, hoy ny ray aman-dreniny. “Nihevitra izahay hoe manimba zavatra fotsiny izy kay sady manimba no nanangan-javatra”, hoy hatrany izy. Nanomboka teo ny asa famoronana satria maro ireo olona nankafy sy tia ny asa tanana vitany.
Natao hanaingoana tanàna, azo apetraka any an-trano, azo atao miendrika dobo filomanosana ihany koa ny zaridaina hafakely. Mahatratra hatramin’ny 8m ny halavan’ny lehibe indrindra, notadiavin’ny mpanjifa, raha ny fanazavana voaray teo anivon’ny jardin tami.
Manala adintsaina
Singa iray manentana ny fahatoniana eo amin’ny fiasan-tsaina ny loharano zaridaina. Indrindra ny fahitana ny toerana sy ny firafitry ny loharano amin’ny endriny maro samihafa. Ankoatra izay, manampy ny olona hanadino ny tabataba vokatry ny fifamoivoizana sy ny kotaba rehetra misy ny fisian’ny loharano zaridaina. Manaraka izany, natao haingon-trano, miseho amin’ny endrika maro samihafa ihany koa. Toy ny miendrika sary sokitra, rano amin’ny endriny samihafa, zavamaniry natao haingo manodidina ny loharano… Azo apetraka amin’ny toerana rehetra na dia eo an-davarangana aza. Manome endrika mahafinaritra ny ao an-tokantrano ny fisian’ireny karazana zaridaina kely ireny, hoy ny olona nanontaniana. “Mandamin-tsaina, mamelombelona ary mampitony ny fahitana azy”, hoy i Norinne, mpanjifa ny “jardin miniature” eto an-drenivohita. “Manana karazana zaridaina kely roa samihafa aho ao an-trano, ny iray ao amin’ny efitrano fandraisam-bahiny ary ny iray ao amin’ny efitranoko”, hoy i Voahangy, mpanjifa ny vokatra, mipetraka any Antsirabe. Nilaza izy fa singa iray atao fialamboly ny fahitana azy ireny. Ny feon’ny rano mikoriana ao amin’ilay zaridaina kely, manala havizanana sy ny adintsaina mahazo ary lasa fialantsasatra. “Mijery azy io foana aho isaky ny avy miasa sy alohan’ny handeha hiasa, mba hanome fifaliana mandritra ny tontolo andro”, hoy izy namarana ny teniny.
Nanatontosa : Mino
(Sary nomena)