Rugby à VII, sokajy vehivavy: hanafika any Tunisie ny Makis

Nambaran’ny tomponandraikitra eo anivon’ny Malagasy rugby, omaly, fa hanainga anio ho any Tunisie ny Makis, vehivavy. Hiatrika ny fifanintsanana hiadiana ny tapakila hiatrehana ny lalao Olympika (JO 2024), ho an’ny baolina lavalava lalaovina olona 7, izy ireo. Fihaonana, hotanterahina ny 14 sy 15 oktobra ho avy izao. Mpilalao 12 mirahavavy no hiaro ny voninahi-pirenena, ary efa vonona izy ireo hiatrika izany.
Raha tsiahivina, ao anatin’ny vondrona “B” ny Makis, miara-dalana amin’i Zambie sy i Ghana ary i Kenya. Azo lazaina fa manana herijika ho tafavoaka vondrona ny Makis, satria ry zareo Kenyanina ihany no ho maozatra, saingy mila mitandrina ihany satria efa mivoatra ny rugby aty Afrika, amin’izao fotoana izao. Mifandimby mihaona ka miatrika ny manasa-dalana, ny ekipa roa voalohany isam-bondrona.
Ao amin’ny sokajy “A” no ahitana ny mpampiantrano, miaraka amin’i Ouganda, Afrika Atsimo ary i Zimbabwe. Tsiahivina fa hiatrika ny lalao Olympika izay ho tompondaka. Hanao ny lalao sakana kosa ny faharoa.

Tompondaka

Partager sur: