Mitohy ny fampirantiana « Voyage en pays bara et vezo ». Saripika miisa 101, sanganasan’i Jacques Faublée no haranty eny amin’ny Mozean’ny sary, nanomboka ny 7 oktobra lasa teo. Manodidina ny fahaterahana, famorana, fanambadiana, fahafatesana, fananganana ho razana, sns, ireto sary haranty ireto. Manasongadina ny fitoviana misy eo amin’ny foko bara sy ny vezo izany.
Hisy velakevitra momba ny haisoratra, anio. Toa ny mahazatra, handray mpanoratra sy mpandalina literatiora ny Tranombokim-pirenena Anosy. Hitarika ny velakevitra ireo poeta roa lahy, Tsitohery sy Nofy, ao amin’ny
efitrano Dox, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany. “Ny nentin’ny teknolojia vaovao teo amin’ny literatiora malagasy” no hovelabelarin’i Tsitohery, raha toa ka “I Tsitohery sy ny fiainam-paribolana” kosa ny an’i Nofy.
“Jazz à l’Université”. Tanterahina anio, eny amin’ ny oniversiten’Ankatso, Faculté des Lettres, ny seho « Jazz à l’Université », hetsika tafiditra ao anatin’ny « Festival International Madajazzcar ». Ankoatra ny eny Ankatso, misy ihany koa ny eny amin’ny IFM Analakely, sy ny karakarain’ny Aft Andavamamba.
Poety Rebely. Horesahina mandritra ny dinika iarahan’ny Poety Rebely amin’ny vahininy, ao anatin’ny hetsika hataony rahampitso, ny anjara asan’ny mpampiakanjo amin’ny fanatontosana horonantsary. Sahala amin’ny mahazatra, eny amin’ny CGM Analakely no hanaovana azy ity. Hanomboka amin’ny 3 ora tolakandro ny fifanakalozana.