TSELATRA

Raim-pianakaviana iray namoy ny ainy vokatry ny ratra mafy nahazo azy tao Tanambao Verrerie, afako­maly. Nody alina, tamin’ny 12 ora, io lehilahy 58 taona io. Miasa ao amin’ny Spat ao an-toerana, anisan’ireo mpibata entana izy. Nihosin-dra ny tarehiny rehefa izy avy namonjy lano­nana. Hatairana ny an’ny fianakaviany nahita ity raim-pianakaviana naratra mafy ity rehefa niditra tao an-tranony. Niezaka nitsabo noho ny ratra nahazo io lasibatra io ny olona akaiky azy. Nateraky ny fahavoazana anefa tsy tana intsony ny ain’io lehilahy io.

Fiara iray tra-doza tao Andilantsefo, distrikan’i Mandritsara, afakomaly. Tapaka hisatra tampoka ny fiara ka nitera-doza. Nivadibadika ny fiara taorian’io ka nisy ireo naratra. Tsy namoizan’aina olona ny loza. Nentina namonjy toeram-pitsaboana ireo naratra nandritra ity lozam-pifamoivoizana ity. Marihina fa nitondra entana maro sy mpandeha io 4×4 niharan-doza io.

Norobain’ny dahalo ny omby 37 isa tao amin’ny fokontany Avaradrova, kaominina Ankirindro, afakomaly alina tamin’ny 12 ora. Ren’ny tompon’omby ny fahaton­gavan’ireo olon-dratsy. Nampandre ny fokonolona avy hatrany ny lasibatra ka raikitra ny hazalambo. Nanampy azy ireo koa ny mpitandro filaminana. Tafaverina avokoa ireo omby halatra.

Fiara mpitatitra mpianatra niharan-doza tampoka tao Androva, omaly maraina. Samy nandeha mafy ny kamiao iray sy io taxibe io. Nifandona tampoka ny lohan’ny fiara roa tonta. Nitondra ireo zaza handeha hamonjy toeram-pianarana anefa ilay bus ka nisy ireo naratra. Nentina nanatona mpitsabo avy hatrany ireto farany.

Partager sur: