Ady amin’ny valala : mamolavola paikady maharitra ny IFVM

Ho voafehy tanteraka tsy ho ela ny firongatry ny valala eto Madagasikara. Anatin’ny famolavolana paikady hanatanterahina izany indrindra ny ivontoerana famongorana valala eto Madagasikara (IFVM). Vinan’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana rahateo ny hampitsaharana ny fihanaky ny valala, hiarovana ny fambolena ary hifehezana maharitra ny valala mba tsy hanimba voly. Nisy ny fivoriana stratejika namolavolana ny paikady amin’ny valala niarahan’ny minisitera voakasika sy ny IFVM, ny herinandro teo. «Maro ny sedra tsy maintsy natrehina fa voafehy ny valala noho ny fandraisan’andraikitra nataon’ireo Malagasy teknisianina rehefa nahazo tohana avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka ny ivontoerana : PROJERMO, AD2M, DEFIS, PPEPB sns», hoy ny tale jeneralin’ny fambolena, Andriamanalina Fe­nomanantsoa Raharinjatovo, sady filohan’ny filankevi-pitantanan’ny IFVM. Hanome ny tohana ilaina rehetra amin’ny fahombiazan’ny ady amin’ny valala rehetra ho avy ny filankevi-pitantanana. Nankatoa­vina nandritra izay koa ny fandaharanasa fanao isan-taona sy ny tetibola savaranonan­don’ny IFVM amin’ny taona ho avy.
Zava-dehibe ny ady amin’ny valala mba hitandroana ny tontolo iainana. Miankina
amin’ny zava-misy sy ny mampiavaka ny toerana izay anaovana famendrahana ny fisafidianana ny ranom-panafody ho ampiasaina, araka ny fanazavana voaray.

Henintsoa H.

Partager sur: