Ao anatin’ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika izao. Hanao ahoana? “Azo torohana ny tsy fanarahan-dalàna amin’ny fampielezan-kevitra”, hoy ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava. Fanazavana…
“Afa-manao fitorohana ny olom-pirenena, rehefa hitany hoe misy zavatra tsy ara-dalàna mandritra ny fampielezan-kevitra. Miaraka amin’ny porofo mazava izany”, hoy ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, momba ny fiatrehana ny fampielezan-kevitra. Any amin’ny rantsa-mangaikan’ny Ceni na ny Ceni foibe no anaovana izay fitorohana izay. Izy ireo indray no mampiakatra ny raharaha any amin’ny fitsarana. Azo anaovana fitorohana, ohatra, ny fanompana olona, ny fandranitana adim-poko, ny fitaomana amin’ny fankahalana olona…, izay samy voararan’ny lalàna.
Tsy maintsy anaovana fangatahana ny toerana hanaovana fampielezan-kevitra. Tokony hisy ny fahazoan-dalàna avy amin’ny prefet na ny tomponandraikitra eo anivon’ny distrika eo an-toerana. Mila mahalala ny fisian’ny hetsika ny mpitandro filaminana. Amin’ny fangatahana fahazoan-dalana, mba tsy hisian’ny hoe tombo sy hala: izay tonga aloha no mahazo ny toerana. Mba tsy hisy koa ny fifanindriana amina toerana sy fotoana iray ka mety hampifanditra. Mila manaja ireo fepetra voalazan’ny lalàna ireo kandidà sy ny mpanohana azy. Matoa manao hetsika sy fampielezan-kevitra amin’ny toerana iray, ohatra, izy ireo, tsy maintsy mahazo fahazoan-dalana.
Manara-maso ny fampielezan-kevitra ny Ceni
Manara-maso ny fizotran’ny fampielezan-kevitra ny Ceni, manao fitanana an-tsoratra raha mahita tsy fanarahan-dalàna. Afa-mitory any amin’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) izy amin’izany. Mety ho tonga amin’ny fanalana an-daharana kandidà, raha hita sy voaporofo ny fisiana fandikan-dalàna. Tsy azo atao, ohatra, ny manevateva ny rafitra na andrimpanjakana mpikarakara sy mpikirakira fifidianana. Tsy azo atao koa ny maneritery na mandrahona na mividy olona amin’ny fanaovana fampielezan-kevitra.
Ny takela-kazo napetraky ny Ceni no fametahana petadrindrina fampielezan-kevitra. Ny ankoatra izay, tsy tokony hametahana petadrindrina na hoe nahazoan-dalana amin’ny tompon-toerana aza: rindrina na tamboho, ohatra. Tsy azo atao ny manely vaovao tsy marina, azo toriana any amin’ny fitsarana.
R. Nd.