«Grand open Telma» : hahazo fanomezana ny mpandresy

Mitohy hatrany ny fifaninanana ho an’ireo mpitia tsipy kanetibe. Hotanterahina ny sabotsy 14 sy alahady 15 oktobra ho avy izao, ny “Grand open Telma”. Hampiantrano izany ny kianja Para Ivato. Hotolorana lelavola sy fanomezana ireo efatra voalohany, amin’ity fihaonana ity. Natokana ho an’olon-telo miaraka ny lalao ary misokatra ho an’ireo mpilalao rehetra na manana kara-pilalaovana na tsia.
Hotolorana 1 500 000 Ar sy M’Balik ary amboara telo lehibe ny tompondaka eo amin’ny sokajy “senior”, lehilahy, raha 800 000 Ar sy Feel Prime ny an’ny faharoa. Fahana 50 000 Ar sy 200 000 Ar ny an’ny fahatelo sy fahefatra.

600 000 Ar miampy amboara 3 lehibe sy F1 Prime miisa 3 no ho azon’ireo voalohany ho an’ny “senior”, vehivavy sy ny “jeunes” ary ny an’ny “vétérans”. Lelavola 300 000 Ar sy fahana 100 000 Ar ny an’ny faharoa ary fahana 50 000 Ar sy 100 000 Ar kosa no homena ireo fahatelo sy fahefatra. Tanjona ny hanomanana ireo mpilalao hiatrika ny fifaninanana iraisam-pirenena ho an’ny taona 2024.

Tompondaka

Partager sur: