INDRAY MIJERY

Hotanterahina amin’ny herinandro ambony ny hetsika fanaovam-baksiny miaro amin’ny lefakozatra natokana ho an’ny ankizy latsaky ny 15 taona manerana ny Nosy. Ilaina ny manamafy ny hery fiarovana amin’ny vaksiny atete indroa ao am-bava satria mbola ambony ny tahan’ny fangerena ankalamanjana mampitombo ny fiparitahan’ny loto sy ny otrikaretina.

Hisolo toerana ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, profesora Randriamanantany Zely, amin’ny fampandehanan-draharaha eo anivon’ny minisitera. Horaisin’ny minisitry ny Fampianarana teknika kosa ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina mandritra ny fotoana hitantanan’ny governamanta ny fitondrana.

Nahasarika ny mponina ny tolotra fahasalamana maimaimpoana manatona ny vahoaka miaraka amin’ny kamiaobe sy ny mpiasan’ny fahasalamana. 2 934 ireo nisitraka izany tany Vangaindrano, 2 925 ho an’i Farafangana, ary 3 569 tany Betsiaka Ambilobe. Fizaham-pahasalamana, fitiliana sy fitarafana ary fanomezana vitamine ho an’ny ankizy no natao.

Nisitraka “Caisse-école” ireo EPP rehetra ao amin’ny Cisco Fianarantsoa, Dren Matsiatra Ambony, tamin’ity herinandro ity. Eto Antananarivo, nisy nitaraina ireo EPP fa tsy nahazo izany mihitsy tao anatin’ny taona maromaro. Nahazo ny karamany kosa ireo mpampianatra FRAM miisa 405 eo anivon’ny Cisco Arivonimamo, Dren Itasy.

Partager sur: