Karate-Tompondaka eran-tany : mizotra tsara ny fanomanantenan’ny atleta

Manoman-tena efa ho iray volana izay, ny Malagasy mpikatroka, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, sokajy Seniors, taranja karate. Fifaninanana hotanterahina any Hongrie, ny 24 hatramin’ ny 29 oktobra ho avy izao.
Mizotra tsara araka ny tokony ho izy ny kotrana sy ny fampivondronana ireo Mala­gasy atleta, eny amin’ny kian­jan’ Alarobia. Nambaran’ny filohan’ny federasiona ny karate-do Malagasy fa notsongaina ma­nokana ireo hisolontena an’i Madagasikara amin’ity fifaninanana goavana ity ary mbola hisy ny sivana hatao, hitiliana izay tena mendrika. Ireo nahazo medaly volamena nandritra ny lalaon’ny Nosy avokoa no mivondrona. Raha ny vinan’ny FKM, mpikatroka 6 mianadahy, 3 lahy sy 3 vavy no hihazo an’i Hongrie hiaro ny voninahi-pirenena, amin’ity fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, sokajy Seniors ity.
Ankoatra izay, maniry ny handray anjara amin’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany “Jeunes”, hatao ny 7 hatramin’ny 10 desambra any Italie ihany koa ny FKM. Ireo Malagasy mpikatroka latsaky ny 18 taona no kasaina hoentina amin’izany ka efa eo am-pandinihana ny fomba hahafahana miatrika izany, amin’ izao, ny federasiona malaga­sin’ny taranja Karate. Tsia­hivina, fandaharam-potoana lehibe eto an-toerana mbola miandry ity taranja ity ihany koa ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara 2023.

Fifaninanana hotanterahina ny faran’ny volana novambra ho avy izao, hialohavan’ny fiofanana ho an’ny mpanazatra sy ny mpitsara izany.

Mi.Raz

Partager sur: