Saika hanafika : jiolahy rotiky ny bala teny Ilafy

Nirefodrefotra ny basy. Maty voatifitra ny jiolahy raindahiny iray teny Ilafy, ny alatsinainy teo. Rava ny fanafihana saika hataon’ireo olon-dratsy.

Nikasa hanao fanafihana mitam-piadiana teny Ilafy, ny jiolahy miisa telo, tamin’ny alatsinainy lasa teo. Nikononkonona handroba tamina tokantrano iray tao Antsampandrano ry zalahy. Nisy namoaka anefa ny tsiambaratelon’izy ireo. Nisy loharanom-baovao nanome vaovao ny polisy. Efa nihaodihaody teny amin’ny manodidina ireto farany. Nametraka ny paikady entina hanatrarana ny olon-dratsy. Tsy mbola nandeha ny fanafihana, tsikaritry ny jiolahy ny polisy nanao ny asany. Vo­kany, nikoropaka sy nandositra avy hatrany izy telo lahy. Nanapoaka basy ka nikendry ireo mpitandro filaminana nisambotra azy. Tsy nitazam-potsiny ny mpitandro filaminana, nitifitra, voa ny iray tamin’ireo jiolahy.
Latsaka teny amin’ilay jiolahy lavo ny basy mahery vaika nampiasainy. Nanao tongotra an-katoka, nitsoaka ny roa lahy namany raha vao nahita azy voatifitra. Niezaka nanaraka ny olon-dratsy ny polisy saingy tsy hita popoka ireo nikasa handroba. Nano­hy ny diany nihazo ny Rovan’ Ilafy izy ireo, araka ny loharanom-baovao. Mitohy ny hazalambo ataon’ny mpitandro filaminana. Marihina, malaza ratsy amin’ny fisiana fanafihan-jiolahy ao Ilafy tato ho ato. Anisan’izany, ilay niseho teo amin’ny mpivarotra kojakoja fanamboarana trano iray tao an-toerana ka lasan’ny jiolahy ny vola, vao herinandro vitsy lasa.

Tsiferana R.

Partager sur: