«Jôkôsô – Festival du Rire». Fanolorana fitaovam-pianarana ho an’ny ankizy tao amin’ny Akany Felana Maitso Ambohibao, no nanokafana ny «Jôkôsô – Festival du Rire» andiany faha-3. Ankoatra izay, nisy ihany koa ny seho niarahana tamin’ny Hery & Doda sy Tojo Renah. Fizarana iarahana amin’ireo vahiny avy any La Réunion kosa no fandaharam-potoana anio.
“Rétrospective”. Hita eny amin’ny Galérie Mozaik Antsahabe, ao anatin’ny fampirantiana “Rétrospective”, ny haikanton’i Léon Fulgence. Mpanao hosodoko manana ny lazany ity mampiseho ny haikantony eny amin’ny Galerie Mozaik Antsahabe ity. Fiainana andavanandron’olona, fihetsehampon’ny ankizy no asehony anatin’izany.
Mitohy hatrany ny ady hiragasy. Hifandona etsy amin’ny Kianjan’ny Hiragasy Ampefiloha indray ny tropy Ratina Betsileo sy ny tropy Jaqueline Elia, ny alahady 15 oktobra ho avy izao, manomboka amin’ny 10 ora maraina. Toa ny efa mahazatra hatramin’ny nisokafan’ny toerana, tsy mbola misy vidim-pidirana izany, saingy hisy rakitra ho an’ireo mpihiragasy kosa.
“Fantatrareo ve i Feno? ” Hamaly io fanontaniana io ny antsam-panahy hotanterahina ao amin’ny FJKM Ambondrona Firaisana, ny alahady 15 oktobra izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro. Hetsika ho fankalazana ny faha-50 taonan’ny Feo mamatonalina sy i Feno. Anisan’ny andraikitra sahaniny: «soliste », mpampianatra hira, mpanolotra sy mpanentana ao amin’ny antoko mpihira, sns.