Tompon-tanàna
Hafa raha samy hafa mihitsy ny vahoaka malagasy ! Tsy misy olona mahari-pery sy mahazaka dona mihoatra azy angamba eto ambonin’ny tany. Miezaka ny mitarika sy mandrehitra ny afo ny kandidà 11, fa mbola mizara roa ny hevitra. Tsy vitan’izay fa manana ny antony mbola hidinana an-dalambe izy rehetra. Samy baikoin’ny filàny manokana fa tsy mijery ny filàna mety iarahan’ny besinimaro migoaka.
Misy ny manantena fa ho rava ny fitondrana ka hiova sata hiova andriana. Misy ny miandrandra vahaolana sosialy ka hivaha ny fiakaran’ny vidim-piainana sy ny delestazy. Misy indray ny tena tia tanindrazana. Tsy ferana anefa ny botom-bazaha mamita iraka mba hamotika misimisy kokoa ilay firenena mba ho voazanaka.
Tsy mahagaga izany satria ny mpitarika no modely voalohany ho an’ny « mpitolona », mibaribary fa mitady hirika ho azy ireo manokana. Tsy misy mitsinjo vahoaka izany fa ireny miseho ho tsy tia vahaza ireny kanefa miantso vonjy amin’ny SADC sy ny Firenena mikambana. Milaza tsy mila Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana, kanefa tsy maharay lamba vao mampiantso ny eny Ambohidahy. Dia mahagaga!
Etsy an-kilan’izany, miezaka ny manao izay ho afany, hamikirana amin’ny sezany ny mpitondra. Manao izay mahametimety azy, satria tompon-tanàna sy tompon’ny lalàna. Tsy ampoizina ny fiovaovan’ny vaovao isan’ora. Mihazakazaka ny fisavorovoroana politika. Iray ihany ny tanjona, ho an’ny tompom-pahefana : fifidianana sy fandresena. Tsy ho tongatonga ho azy izany, fa tsy maintsy misy kajy avo lenta tsy natao ho an’ny sarambabem-bahoaka.
Avo lenta tanteraka ny lalao! Saro-pady ny miresaka any anaty sehatra hilalaovan’ny « henjana » izay mbola masi-mandidy eto amin’ny tany sy ny firenena. Mbola tompon’ny lakile ka tsy azo hijabajabahana. Mitazam-potsiny no mety.
r.r