Fly over : mitentina 31,5 tapitrisa dolara ny tetikasa

Tontosa, afakomaly, nandritra ny fihaonamben’ny vondron’ ny Banky iraisam-pirenena sy ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI), tany Marrakech, Maroc ny fifanaovan-tsonia fama­tsiam-bola eo amin’i Madagasikara sy ny Banky arabo ho an’ny fampandrosoana eto Afrika (Badea) ho an’ny fanatanterahana ny tetikasa “Fly Over” eny amin’ny Makis Andoha­tapenaka. Mitentina 31,5 tapitrisa dolara ny tetikasa ka fama­tsiam-bola avy amin’ny Badea ny 28 tapitrisa dolara raha avy amin’ny fanjakana malagasy kosa ny 3,5 tapitrisa dolara ambiny. Niara-nanao sonia izany ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra sy ny filohan’ny banky Badea, Sisi Ould Tah. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa ny fanamboarana ny “échangeur” eo amin’ny fihaonan’ny “lalan’ ny francophonie” sy rond point Makis. Hisy ny fanamboarana tetezana vaovao 200 metatra eo amin’ny reniranon’Ikopa ary ampahan-dàlana mivoaka an’Antananarivo, miankandrefana (VROT). Tanjon’ny tetikasa ny hampihena ny fitohanan’ny fifa­moivoizana mivoaka ny renivohitra mihazo an’Atsimon­dra­no. Ao anatin’izay ihany koa ny hanomezana lalana vaovao hoan’ireo mponina izay mbola miampita amin’ny lakana ary hanamora ny fifamoivoizana mandritra ny ora feno fitohanana.

Henintsoa H.

Partager sur: