Fitetezam-paritra lehibe maro no vitan’ny tarika Zook Davids, nandritra iny fialantsasatra lehibe farany teo iny… Tohizan-dry zareo izany na efa ao anatin’ny fotoam-pianarana aza ny mpianatra, satria, manampy amin’ny tontolon’ny fanabeazana. Ny alahady 15 oktobra izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, ao amin’ny Cité Akany Sambatra eny Itaosy. Hanatanteraka ny ilay seho, « Kristy fiainam-baovao » izy ireo. Alatsinainy 16 oktobra, amin’ny 2 ora tolakandro, eny Ambohiparaky Itaosy ihany, hanolotra seho ho an’ny zaza sy ny ankizy ny tarika Zook Davids.
Raha tsiahivina, anisan’ny mivohy ny hira evanjelika ity tarika ity. Mampiavaka azy ny fitodihana bebe kokoa amin’ny sehatry ny fitaizana ny zaza sy ny tanora. Tononkira, gadona, feonkira, sns, samy maneho izany avokoa. Omen’izy ireo vahana ihany koa ny fihetsika, ny fitafy eny an-tsehatra.
Amin’ny ankapobeny, fampitan-kafatra ho fitaizana no imasoan’ny tarika Zook Davids. Saika fampisehoana ahafahan’ny rehetra mijery (maimaimpoana) no hataon’ny tarika.
HaRy Razafindrakoto