Nisokatra omaly ny fampirantiana ny « Spectrum », eny amin’ny Is’Art Galérie Ampasanimalo. Rantin-tsarin’i Aina Zo Raberanto, mpaka saripika, no hita eny an-toerana, hatramin’ny 9 novambra 2023. Zava-misy eo amin’ny fiainana andavanandron’ny olona no nangalian’ity mpaka sary ity ary nasehony tamin’ny fomba kanto.
Saripika 25 isa no arantin’i Aina Zo Raberanto, eny amin’ny Is’Art Galérie Ampasanimalo. Tamin’ny alalan’ny haikanto no nitondran’ity mpahay kanto, mpaka sary ity, ny zava-misy ankehitriny. “Tanjona amin’ity fampirantiana ity ny hamela ny maso malalaka eo am-pijerena ny sary miranty rehetra, mba hampalalaka ny saina”, hoy i Aina Zo Raberanto. Somary mifono hevitra lalina avokoa ny sary miranty eny an-toerana. Efa nisy anefa ny tohana entina manazava ny hevitry ny sary. Azon’ny mpitsidika atao ihany koa ny mitafa amin’ny tomponandraikitry ny sary. Tsy hijanona amin’ny maha ranty maneho ny kanto azy ity fampirantiana ity fa tanjony ny hitondrana fanovana ho an’ny mpitsidika.
Lin