Tontosa, omaly, teny amin’ny Ivontoeran’ny kolontsaina malagasy (IKM) Antsahavola ny atrikasa sy fifampizarana tamin’i Fafa sy Océane Vonwertas, mpanao hatsikana avy ao La Réunion. Andro faharoa amin’ny «Jôkôsô – Festival du Rire » ity notanterahina omaly ity. Ankoatra ny fifampizarana sy atrikasa, nisy ihany koa ny fampisehoana niarahana tamin’ireo mpanao hatsikana avy any La Réunion, tao anatin’ilay seho « Atroceland », tao amin’ny Kudéta Anosy.
Mitohy hatrany ny hetsika ao anatin’ny « Jôkôsô – Festival du Rire ». Nizara ny traikefa tamin’ny Malagasy mpankafy sy mpiangaly hatsikana teny amin’ny IKM Antsahavola i Fafa sy Océane Vonwertas. Somary nirona kokoa tany amin’ny fanaovana « Humour noir » no nifampizarana tamin’ny omaly. Noresahina tao anatin’izany ny fomba famoronana sy ny fiakarana an-tsehatra ary ny fiatrehana ny mpijery. Niaraka nitondra izany atrikasa sy fifampizarana tamin’ireo mpanao hatsikana avy ao La Réunion ihany koa ireo Malagasy mpanao hatsikana sangany eto Madagasikara. Fotoana lehibe nahafahan’ny mpanao hatsikana vao misandratra nampivelatra ny talentany sy ny fahaiza-manaony iny fotoana iny.
Tsy nijanona tamin’izay fotsiny anefa ireto mpiangaly hatsikana avy ao La Réunion ireto fa nampitokiky ireo Malagasy mpankafy hatsikana, tamin’ny alalan’ny seho “Atroceland”. Hatsikana tamin’ny fiteny frantsay ranoray no nentin’izy mirahavavy nanafana ny sehatra tao amin’ny Kudéta Anosy.
Lin