Kanto nahitana fiovana lehibe ny hira malagasy. Amin’ny ankapobeny, nanaraka vanim-potoana izany. Ny nalaza omaly, tsy heno ny ampitso. Ny fantatra androany, lefy rahampitso.
Taloha… Taloha… Taloha…! Mankalilo ny sofina sasany ny mihaino izany ankehitriny. Saingy, tsy maintsy voateny ihany amin’ny lafin-javatra sasany. Very fitaratra ny hira malagasy. Famerimberin’ireo mpanakanto zoky miaina amin’izao vanim-potoana izao io. Tamin’ny andron-dry zareo, tsy vitan’ny fakan-tahaka ny ankamaroan’ny mpanakanto fa tena arofanina ho an’ny hafa mihitsy. Tononkira, feon-kira, fandrindrana, sns, soa fianatra!
Tsy nisy mpamoron-kira na mpihira na iray aza sahy “niteniteny foana” raha mbola naheno ny hiran-dry Naka Rabemanantsoa, J.J Tseheno, Naly Rakotofiringa… Ambonin’ireo, tsy mba nanana fitaovana (zavamaneno, fandraisam-peo…) raitra tahaka ny hita amin’izao ny taloha, kanefa nanana mpanakanto natao ho fitaratra.
Na “maniry toy ny anana” aza ny tarika mpihira sy ny mpihira amin’izao vanim-potoana izao, toa tsy manana izay ho tarafina na manana ihany fa fitaratra mangavoka ny mpanakanto ankehitriny. Anisan’ny mahatonga ny mpanakanto hanao rebik’ondry io tsy fisian’ny fitaratra io. Rehefa ny “fusion”, ohatra, no malaza; izay mipoitra, “fusion” avokoa.
Fanahiniana nariana!
Nandray anjara goavana tamin’ny fanariana ny fitaratry ny hira malagasy ny haino aman-jery. Firy amin’ireo radio na televiziona eto Madagasikara ireo no sahy mandefa ny sanganasan’ireo mpihira azo lazaina ho fitaratra, teo aloha? Tsy ilay fiverenana amin’ny lasa na fanaovana dia miverina no zava-dehibe fa ny fanehoana amin’ny taranaka ankehitriny ny fananana mpanakanto fitaratra. Nanaiky resin’ny zava-baovao avy any ivelany ny mpanakanto (mpamoron-kira, mpitendry, mpihira…) eto an-toerana. Nanao rapadango… Naka tahaka… Nirehareha amin’ny tsy azy…
Manan-talenta sy mahay mihira ny Malagasy. Io no nabobobobo tetsy sy teroa. Tsy mandalo ao amin’ny mpamoron-kira na mpihira na mpitendry zavamaneno ny hianatra sy hanatevim-pahalalana satria efa manan-talenta, hono. Kanefa mitaky fianarana sy fandalinana ireo zava-baovao nampidirin’ny vahiny.
… Ny sanganasan’ireo mpanakanto fahiny tokony ho fitatratra, natao tsininontsinona. Ny zava-baovao natsofoky ny vahiny izay mitaky fianarana sy fanatevenam-pahalalana, tsy tafapetraka amin’ny tokony ho izy. Latsaka an’elanelany ny tontolon’ny hira malagasy!
HaRy Razafindrakoto