Nanao fanambarana ihany koa…: tsy mankasitraka ny herisetra ireo mpanakanto

“Foloalindahy frère-nay, aza tifirina izahay”, “Tsy mifandratra ny samy Malagasy”, “Malagasy tsy manao herisetra”, “Stop herisetra”, sns. Santioanany amin’ireo soratra narantin’ireo mpanakanto nanao fanambarana ireo.

«What’s up», hiran’i 4 Non Blondes, malaza eran-ta­ny. “Ity hira ity dia nadi­kan’Andriamatoa Ravaloma­nana Richard tamin’ny teny malagasy. Nitondra hery ho ahy ka indramiko ary haveriko mba hitondra hery ho azy ihany koa, amin’ny foko manontolo…”, hoy i Bodo. Io hira io no nanokafan’ireo mpanakanto ny fanambarana tetsy amin’ny Trass Tsiadana, omaly. Tonon­kira mifono hafatra, nosafidiana manokana ary tsy kisendrasendra satria heverin’ireo mpanakanto fa mifanaraka amin’ny toe-draharaha misy iainan’ny firenena izany…

“Tsy mila herisetra. Mano­loana ny herisetra nisy dia manao antso avo izahay mpanakanto: halaviro ny famonoana ny Malagasy. Ianareo ao anatin’ny Foloalindahy dia anisan’ny vahoaka malagasy ihany koa. Tsy mankasitraka ihany koa izahay ny fampiasana herisetra amin’ny Foloalindahy, satria isika samy Malagasy”, hoy i Dama. Izy no nitondra ny tenin’ireo mpanakanto nifamondrona, rehefa avy nifampidinika mahakasika ny raharaham-pirenena.

“Manao antso aminareo Foloalindahy mba hiaro ny vahoaka. Tokony harovana ny andaniny sy ny ankilany”, hoy hatrany i Bodo. Nohamafisin’i Dama fa efa nataon’izy ireo antsoantso an-taonany maro tao anatin’ny hiran’ny Mahaleo “Ramiaramila” izany.

Tsy tamin’ny anaran’ny sendikà na vovonana na fikambanana, fa fifampientanan’ireo mpanakanto ny nanaovana ny antso avo. “Tsy misy kosa angamba mpanakanto mankasitraka herisetra izany… Manentana antsika mpanakanto, hihaino ny feon’ny fieritreretantsika tsirairay”, hoy hatrany i Dama, raha nanontaniana mikasika ireo mpanakanto namana tsy mbola ao anatin’ny hetsika.

Zo ny Aina

Partager sur: