Voatana vonjimaika any am-ponja ny renikely iray nidaroka ka saika nahafaty zaza roa taona latsaka, tao Ambalamanasy C2, Toamasina, afakomaly. Efa fanaon’io ramatoa io ny mamono tsy am-piheverana an’io zazakely io, raha ny nambaran’ny nanatri-maso. Matetika nianjadian’ny fampijaliana izy rehefa tsy eo ny rainy. Nofelahan’io renikely io indray ilay zaza ny talata teo. Tsy vitan’io, natsipitsipin’ilay nahavanon-doza tamin’ny tany izy. Tsy afa-namaly ny zaza ka niaritra ny vono sy daroka nahazo azy. Tetsy ankilany, azon’ny tsara sitrapo iray tao anaty horonantsary avokoa ny fihetsika mamoafady nataon’ilay renikely. Nanoloana io tranga io, samy nanamafy ny fomba ratsy fanaon’ity renikely ity avokoa ireo mponina manodidina. Nitoroka teny amin’ny tomponandraikitra mahefa ny olona tsara sitrapo iray.
Nidina ifotony nanamarina ny zava-nisy marina sy nanao ny fanadihadiana ity farany. Nosamborina vokatr’io ilay nahavanon-doza. Ahina ho tsy fitiavana tsotra izao an’ilay zaza no antony hidarohany azy matetika. Naiditra am-ponja izy taorian’ny famotorana ka miandry ny fotoam-
pitsarana azy.
Tsiferana R