Oniversite Ankatso: nitokona ny mpianatra, raikitra ny tora-bato

Nanatanteraka fitokonana ny mpianatra teny amin’ny oniversiten’Ankatso, omaly. Notorahan’izy ireo vato ny teny amin’ny manodidina.

Tezitra mafy ireo mpianatra mandranto fahalalana eny amin’ny oniverste Ankatso, omaly. Nisy ny tora-bato sy fandoroana kodiarana. Tsy navelan’izy ireo hiakatra any amin’ny faritra misy fampianarana ireo olona rehetra teny tamin’izany. Raha ho fintinina ny zava-nitranga, nanomboka tamin’ny 11 ora atoandro, nisy andiana mpianatra nitarika fanakorontanana.

Raha ny filazan’ireo mpianatra, mitaky ny tsy hisian’ny taona fotsy izy ireo, amin’ity taom-pianarana 2022-2023 ity. Maro amin’izy ireo no tsy mbola nahavita ny enim-bolana faharoa na ny “semestre paire”. Raha ny fanazavana nataon’ izy ireo, efa ho efa-bolana no tsy nisy fampitana fahalalana teny.

“Efa nilaza taminay izy ireo fa aorian’ny lalaon’ny Nosy, ezahina ho vahana ny olana, saingy rehefa vita izany dia tsy noraharahiana izahay”, hoy ny mpianatra iray.

Tsara ihany ny mampahafantatra fa tsy mitovy ny fitakiana ataon’ny mpianatra sy ny mpanabe eo anivon’ny SECES. Ny fikambanan’ireo mpampianatra, mitaky ny karamany raha fampianarana tsy misy fiatoana ny an’ny mpanovo fahalalana.

Nanomboka nanohitra ny hetsika nataon’ny tanora teny Ankatso ny mponina teny amin’ ny manodidina. Nampian’ireo mpanamory taxi-be ireto farany tamin’io fotoana io. Taorian’ izay, nilamina, niverina nanohy ny asany avokoa ny rehetra. Tsara marihina fa tsy nisy mpitandro filaminana teny an-toerana.

Fitia Randria

Partager sur: