Taorian’ny niatrehany ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, sokajy Juniors, taranja Judo, fifaninanana iraisam-pirenena roa avy hatrany indray no miandry an-dRasoanaivo Razafy Aina Laura. Hihazo an’i Abu Dhabi izy, ny 24 oktobra izao, hiatrika ny “Abu Dhabi Grand Slam 2023”. Hitohy any Senegal kosa ny diany, ny 11 novambra, hifaninana amin’ny “Dakar African Open 2023”. Samy hahafahany mampitombo ny isany ka hahafahany mahazo toerana tsara hatrany eo amin’ny filaharana iraisam-pirenena avokoa ireo fifaninanana roa ireo, raha ny nambaran’i Laura.
Tsiahivina, resy teo amin’ ny ampahavalon-dalana ity Malagasy judokas ity, nandritra ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, sokajy Juniors, natao tany Portugal, ny herinandro lasa teo. Tsy nisy mpifanandrina i Laura, tamin’ny fihodinana voalohany ary nandresy ny mpifanandrina taminy, i Sairy Colon (Porto rico), teo amin’ny sokajy latsaky ny 70 kg. Tsy nahatohitra ilay teratany Suisse, i April Lynn Fohouo, kosa izy teo amin’ny ampahavalon-dalana. Voahosotra ho tompondaka maneran-tany, teo amin’ity sokajy latsaky ny 70 kg ity, ilay Japonais, i Mayu Honda, izay nandavo an’i Kaillany Cardoso, Brésilienne. Nambaran’i Laura fa mbola ho tompondaka maneran-tany izy, indray andro any, ary tsy mahakivy azy ny vokatra azony fa nangalany lesona hatrany.
Mi.Raz