SOMBIM-BAOVAO

Araka ny vaovao navoakan’ny tambajotran-tserasera omaly, nahazo fifanarahana tamin’ny klioban’ny AL Duhaïl Qatar, i Christophe Galtier, Fran­tsay mpanazatra. Fifanarahana mandritra ny roa taona no azon’ity Frantsay teknisianina ity. Marihina fa efa nanazatra ny Paris Saint Germain i Christophe Galtier, ny taom-pilalaovana 2022-2023.

Noho ny fahoriana mianjady amin’i Kylian Mbappe, Frantsay mpilalao baolina kitra. Voatery nandao kely ny fampivondronana natao tao Clairefontaine izy ny alarobia alina lasa teo. Araka ny vaovao voaray, hiverina hamonjy ny fampivondronana izy rehefa vita ny fisao­nana.

Efa fantatra avokoa ireo firenena tafita hiatrika ny lalao ampahefa-dalana amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja Rugby. Hano­katra ny lalao amin’izany ny fihaonana eo amin’i Pays des Galles sy Argentine, ary i Irlande sy Nouvelle Zélande. Marihina fa ny Mondial Rugby, izay hatao any France.

Nandray retirety tanteraka tsy hanao baolina kitra intsony i Eden Hazard, Belge mpilalao baolina kitra. Tsy nahita klioba mihitsy ny tenany taorian’ny nandaozany ny klioba Real Madrid Espagne. Tsiahivina fa anisan’ireo mpilalao
manana ny lanjany teny ambony kianja i Eden Hazard ary efa nandalo tao amin’ny klioba goa­vana toa ny Losc Lille France sy Chelsea Anglisy.

Partager sur: