“Festival Madajazzcar”. Hanamarika ny takarivan’ny anio, ny fampisehoana maro samihafa, ao anatin’ny « Festival International Madajazzcar » andiany faha-34. Anisan’izany ny eny amin’ny Fara West Faravohitra, iarahana amin’ny Zara Rajaona& Band, sy ny eny amin’ny Aérovillage Talatamaty, iarahana amin’i Solo Andrianasolo Quartet.
Tselonina etsy amin’ny Piment Café. Volana vitsivitsy lasa izay no nanakoako tetsy Behoririka ireo hira tsy tontan’ny ela an’Ingahibe Tselonina. Hiverina ao indray izy anio, manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina. Hiaraka aminy mandritra izany i Parany sy i Feno, tanora mpitendry sy mpihira anisan’ireo mpankafy sy maharaka ihany koa ny sanganasan’Ingahibe.
Rapo Atlas etsy amin’ny La Teinturerie. Elaela indray no tsy hita an-tsehatra ireto tanora manandratra avo ny “beko groove fusion” ireto. Anjaran-dry Rapo sy ny tariny indray no manafana ny sehatry ny la Teinturerie Ampasanimalo, anio, manomboka amin’ny 8 ora alina. Vantany vao vita dia mamonjy indray ny “After-jam session” eny amin’ny Le Garage Antsahavola izy ireo.
Tselatra any Toamasina. Eto an-tanindrazana ary efa nahatontosa ny fihaonana tamin’ny mpankafy teto Antananarivo i Eric Tselatra, ny sabotsy lasa teo. Fantatra kosa fa hitohy any Toamasina ny seho, anio alina, ao amin’ny Brasserie de la Gare. Ny tarika Tselatra iray manontolo no hitondra ireo hira nametraka ny anarany mandritra izany.