Amidy eny amin’ny mpivarotra ny vary makalioka amin’ny vidiny 800Ar sy ny vary nafarana 750 Ar ny kapoaka. Nanaraka ny fiaingan’ny vary teny amin’ny trano fanatobian’entan’ny orinasa SPM eny Ambohimanambola, omaly, ny minisiteran’ny Varotra sy ny fanjifana. Ho hita amina fokontany maromaro eto an-drenivohitra sy ny manodidina ireo vary ireo.
Tafiditra ho anisan’ireo toerana 24 tsara tsidihina eto Afrika ny Parc national Isalo, araka ny tatitry ny Touropia, blog de voyage, mpizara ireo toerana tsara sy miavaka indrindra maneran-tany. Miavaka ity alan-javaboarin’Isalo ity, noho ny fananany ireo harambato goavana sy satrana miavaka, izay anisan’ny mahasarika mpizahatany maro maneran-tany.
Mahatratra 157 000 ireo mpizahatany tonga teto Madagasikara nandritra ny 9 volana voalohan’ny taona 2023. Mahavelombolo ho an’ireo mpiantsehatra samihafa ny antontanisa noho izy manomboka miverina amin’ny laoniny. Mbola betsaka ny ezaka tokony hatao mba hanatrarana ny isan’ny mpizahatany tonga teto an-toerana, ny taona 2019.
Miteraka fitohanana ilay fametrahana pylone téléphérique eny Ankorondrano sy Ivandry. Miova ho lalan-tokana miainga eo amin’ny Midi Madagasikara hatrany amin’ny Design Auto. Toy izay koa ny lalana hydrocarbure hatrany amin’ny restaurant La Marée Ivandry, hatramin’ny 6 novambra. Hitombo indray ny vola mivoaka amin’ny fanenjehana ora rehefa hiova taxi-be na hividy solika.