Hiakatra kianja anio sabotsy 14 oktobra, ny ekipa malagasy “Antananarivo”, hiatrika ny fifaninanana basikety “FIBA 3X3 World Tour”, tanterahina any Shanghai. Ao amin’ny sokajy “Masters”, vondrona C no misy ny ekipantsika, hifandona voalohany amin’izy 4 mirahalahy, ny ekipan’ny Beijing Chine. Mbola ekipa avy ao Chine, Futian ihany, aorian’izay no hifanandrina amin’ny Malagasy. Tsiahivina fa ny alakamisy lasa teo no nanainga teto an-tanindrazana ny solontenantsika malagasy, nahitana an-dRatianarivo Livio, i Rick-Ley Loubacky, Solondrainy Arnol ary Randriamampionona Elly. Ekipa 12 avy amin’ny firenena 8 sangany maneran-tany no mifaninana amin’ity lalao basikety 3×3 ity. Nozaraina vondrona 4 izy ireo ary izay ekipa 2 voalohany mendrika indrindra no hiatrika ny dingana farany.
Tsiahivina fa tohin’ny fifaninanana natrehin’i Madagasikara, tamin’ilay lalao fifanintsanana tany Wuxi, izao fandraisana anjaran’ny ekipa malagasy “Antananarivo” amin’ny “FIBA World Tour” izao. Hanomboka anio ary hitohy rahampitso 15 oktobra ity lalao goavana eo amin’ny taranja basikety 3×3, hatao any Shanghai, ity.
Mi.Raz