Fampivelarana ny haikanto : miofana ao amin’ny Cites des Arts i Ashiko Ratovo

Mitohy hatrany ny fahombiazana ho an’i Ashiko Ratovo. Miatrika fiofanana ao amin’ny Cités des Arts, ao Paris, indray izy amin’izao fotoana izao, taorian’ny niatrehany ny fifaninanana “Courant du monde”, ny herinandro lasa teo.

Manatanteraka fiofanana ao amin’ny Cités Internationale des Arts, ao Paris, Frantsa, na­nomboka omaly hatramin’ny 27 desambara 2023, Rato­vohery Toavina, na Ashiko Ratovo, amin’ny maha mpandresin’ny fifaninana Prix Paritana 2023, andiany fahafito azy. Tombony azon’ity mpahay kanto ity amin’izao fivahinianany izao ny fampivelarana ny fahaiza-manaony eo amin’ny tontolon’ny haikanto. Eo ihany koa ny fampivelarany manokana ny tetikasany eo amin’ny sehatry ny haikanto.
Fivahinianana hanaovany fikarohana sy famoronana momba ny haikantony no ataony ao anatin’izany. Raha tsiahivina, ny tetikasa “Tsy manan-kialofana” no nandrombahany ny laharana voalohany tamin’ny fifaninanana “Prix Paritana 2023”, ary io no hatsarainy sy handratoany fahaiza-manao vaovao. Hai­kanto maneho ny zava-misy rehetra sedrain’ny maha olona ankehitriny ity tetikasa ity. Tena misongadina ao anatin’izany kosa ny fiainan’ny olona tsy manan-kialofana eny an-dalambe eny, izay anisan’ny antony nahatonga ny anaran’ny tetikasany hoe “Tsy ma­nan-kialofana”.
Hisy ny fampirantiana hanehoan’i Ashiko Ratovo, ny vokatr’izany fiofanana nataony izany, ny 13 hatramin’ny 22 desambra 2023, ao amin’ny Fondation H, Paris. Araka ny nambaran’ny tomponandraikitra ihany koa, hisy ny fampirantiana ho ataony, ao amin’ny IFM Analakely, any amin’ny enim-bolana faharoan’ny taona 2024.

Lin

Partager sur: