Miantso fifanatonana fa tsy fiziriziriana ny UNDD, araka ny nambaran’ny mpitarika, Manoro Regis, manoloana ny raharaham-pirenena. Niantso ny FFKM koa izy ireo hanelanelana. Tsiahivina fa nomarihina omaly, teny Ivandry ny tsingerin-taona nahafatesan’ny Pr Zafy ka nametrahan’izy ireo fehezam-boninkazo teny amin’ny tsangambato Ambohijatovo.
Miantso ny fahamendrehana, ny fahitsiana ary ny etikan’ny HCC ireo fiarahamonim-pirenena miisa 41, araka ny fametrahana taratasy teny Ambohidahy, omaly. Mitaky ny hiverenana haingana amin’ny tany tan-dalàna izy ireo. Miantso fihaonana maika amin’ireo kandidà koa izy ireo hametrahana ny fepetra ho amin’ny fanatanterahana ny fifidianana.
Mitaky ny “Ady gasy” hifandinihan’ny mpisehatra politika rehetra ka hitondra filaminana ho any amin’ny fifidianana ny KMF/Cnoe, araka ny nambaran’ ny filohany, Namearson Robert, omaly, tetsy Antanimena. Nanteriny fa tsy hamaha olana ny lalàna ka itakiana finiavana politika avy amin’ny rehetra izany.
Tandindonin-doza ny vahoaka sy ny firenena, araka ny fanambaran’ny “Inspecteurs du travail – SAIT”, omaly. “Tsy voahaja ny tany tan-dalàna sy ny zo fototra ho an’ny fahafahana maneho hevitra”, hoy izy. Notakin’ity sendika ity, noho izany, ny hikaroham-bahaolana haingana eken’ny rehetra, hisorohana ny loza mitatao.