Zandary mpiana-draharaha iray maty voatifitry ny dahalo, nandritra ny fifandonana mahery vaika, tao amin’ny fokontany Bemahogo, kaominina Ankaraobato, distrika Marovoay, ny alin’ny alakamisy 12 hifoha ny zoma 13 teo. Nanara-dia dahalo mpangalatra omby niaraka tamin’ireo namany ity zandary ity. Nitondra fitaovam-piadiana koa anefa ireo olon-dratsy. Nandritra ny sakoroka, voatifitr’ireo tsy valahara izy. Niezaka hamonjy azy ireo mpiara-dia aminy saingy efa tsy tana intsony ny ainy noho ny ratra mafy nahazo azy. Nirifatra nandositra ireo olon-dratsy. Mitohy ankehitriny ny fikarohana ireto farany. Miara-misalahy amin’ny fanatanterahana ny hazalambo ataon’ny zandary ao an-toerana ny tagnamaron’ny fokonolona. Tsy maintsy ho tratra ireo nahavanon-doza, araka ny fanamafisan’ny kaomandin’ny Vondron-tobim-pileovan’ny zandarimaria ao Boeny. Naneho ny teny fampiononana ho an’ny fianakaviana akaiky sy ireo mpiray andiany tamin’ity mpitandro filaminana namoy ny ainy ity ny fianakaviamben’ny Zandarimariam-pirenena.
Tsiferana R.