Fifidianan’ny FMF : ho fantatra anio izay ho filoha

Tonga ity ilay fotoana efa nandrasan’ny maro, hahafantarana ny anaran’izay ho filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) vaovao.

Hotanterahina anio sa­botsy 14 oktobra, eny amin’ny Novotel Ivan­dry, ny fifidianana izay ho filohan’ny Federasiona malaga­sin’ny baolina kitra (FMF). Tsy maintsy iray amin’ireo kandidà miisa dimy mpifaninana amin’ izany no hitantana ny FMF. Hatao amin’io fotoana io ihany koa ny fifidianana ho an’ireo komity mpanatanteraka (CE), miisa 49 izy ireo amin’izany.
Tsara ny mampahafantatra fa tsy olom-baovao eo amin’ny sehatry ny baolina kitra ireo mpifaninana dimy mirahalahy ireo. Raha ho an-dRa­kotomamonjy Neypatraiky, kandidà laharana voalohany, efa tao anatin’ny komity mpanatanteraky ny FMF, tamin’ny andron’i Ahmad Ahmad. Rakotomalala Stanislas, laharana faharoa, efa sekretera jeneralin’ny FMF tamin’ny andron’ny filohan’ny Caf teo aloha, Ahmad Ahmad ary mbola SG ny “Orange Pro League (OPL)” ankehitriny. Asti¬na Douglas Wilson, laharana fahatelo, filohan’ny klioba JFC Toliara ary anisan’ireo nanampy ny Barea nandritra ny “Can 2019” tany Egypta. Andrianony Victorien, laharana fahefatra, filohan’ny FMF mpisolo toerana teo aloha. Randriamanampisoa Alfred, laharana fahadimy, filoha lefitry ny FMF teo aloha ary filoha tale jeneralin’ny klioba Elgeco Plus.
Ankoatra izay, misy lalao ara-pirahalahiana ataon’ny Barea de Madagascar amin’i Mauritanie, any Maroc amin’io fotoana io.

Fitia Randria

Partager sur: