Hitsinjovana ny maitsoahitra : amidy 800Ar ny kapoakan’ ny vary makalioka

Vidiana mora ny kapoakam-bary makalioka sy ny vary nafarana amina fokontany maro eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Paikady entina hitsinjovana ny mpanjifa amin’izao vanim-potoana hidirana amin’ny maitsoahitra izao.

Ho hita eny amin’ny mpivarotra mpaninjara amina fokontany samihafa eto an-drenivohitra sy ny manodidina ny vary makalioka amin’ny vidiny 800Ar ny ka­poaka sy ny vary nafarana 750Ar. Paikady napetraky ny minisiteran’ny Fampirobo­ro­boana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana sy ny orinasa State procurement of Madagascar, (SPM) hitsinjovana ny mpanjifa amin’izao vanim-potoana hidirana amin’ ny maitsoahitra izao. Anisan’ ny fokontany hahitana izany ny fokontany Ambohitsoa, Na­montana, Anosizato, Isotry, Ampasampito, Tanjombato, Ambatofotsy. Toy izay koa ny eny Ambohimanambola, Anda­vamamba, Anosipatra­na, Ilafy ary Andohatapenaka.

Paikady
Hiarovana ny vidim-barin’ny tantsaha mpamokatra ity paikady ity. Niomanana ihany koa tamin’ny fotoan-tsarotra no nanaovana izao volana vitsy lasa izay. Manampy ireo vary zanatany ireo moa ilay hafarana avy any ivelany. Araka izany, noraisin’ny orinasa SPM ny voka-barin’izy ireo hitsinjovana ny mpanijifa. Toy ny natao tany amin’ny faritra Alaotra Mangoro sy Itasy. Nanaraka ny fiaingan’ny vary teny amin’ny trano fanatobian’entan’ny orinasa SPM, ho tsinjaraina eny amin’ny mpaninjara eny Ambohima­nam­bola ny tomponandraikitra avy amin’ny minisitera, ny alakamisy teo. Ankilan’izay, nahitam-piakarana indray ny vidim-bary makalioka sy ny Riz de luxe eny amin’ny mpivarotra sasany toy ny mpaninjara iray eny Analamahitsy. Tafakatra 3 200Ar ny kilaon’
ireo vary ireo. Velon-taraina sy miandrandra ity vary vidiny mora zarain’ny fitondram-panjakana ity ny mponina eny an-toerana manoloana ny zava-misy.

Henintsoa Hani

Partager sur: