Mandrosohasina : may ny vohitra masina ao Filahoana

Nisy nandoro, tamin’ity herinandro ity, ny vohitra masina eny Filahoana, iafenan’ny masina Andriampanarivomanjaka, ao Mandrosoa Andramasina. “Mitohy ny fametavetana sy fandorana ny hasina sy ny maha izy azy ny tanàna. Tsy azo ekena izany ka tsy maintsy mijoro isika rehetra taranaka”, hoy ireo mpitana ny nentin-drazana avy amin’iny faritra iny. Niantsoan’izy ireo ny hifanatonana sy handinihana ny tokony hatao manoloana izany ary koa handraisana ny fepetra, mifandraika amin’izany. Anisan’ny entanina amin’izany ireo taranak’Andriampanarivomanjaka, terak’izy dimilahy, ny taranak’Andriampanjakabe eny Ampongarano, ny avy amin’Andriamanandraivola, eny Ambohitraivo na Andra­novelona. Tahaka izany koa ny terak’Andriatsimieribe avy eny Ambohimamory. “Aoka isika hifanatona ary samy hifanakalo hevitra ny amin’ny hetsika tokony hataontsika miaraka”, hoy ihany izy ireo.
Tsiahivina fa anisan’ny vohitra masina, manamarika ny tantara eto amin’ny firenena sy amin’iny atsinanan’Anta­nanarivo iny ny eo Filahoana, ao Mandrosoa Andramasina.

Randria

Partager sur: