Mitohy hatrany ny fifaninanana ho an’ireo mpitia tsipy kanetibe. Hotanterahina anio sy rahampitso , ny “Grand open Telma”. Hampiantrano izany ny kianja Para Ivato. Hotolorana lelavola sy fanomezana ireo efatra voalohany. Natokana ho an’olona telo miaraka ny lalao ary misokatra ho an’ireo mpilalao rehetra na manana kara-pilalaovana na tsia.
Hotontosaina manomboka anio, any Tunisie, ny fiadiana ny tapakila hiatrehana ny fifanintsanana ny lalao Olympika JO Paris 2024. Anisan’ireo mandray anjara amin’izany i Madagasikara. Tsiahivina fa ao
amin’ny vondrona “B”, misy ny Makis de Madagascar, i Kenya sy Ghana ary Zambie.
Anisan’ny tena andrasan’ny maro anio sy rahampitso, ny ampahefa-dalana, Rugby Mondial 2023 any France. Hifanandrina amin’izany, i France sy Afrika Atsimo ary i Nouvelle Zélande sy i Irlande. Heverina ho toy ny famaranana kely avokoa ireo lalao roa ireo, tsiahivina fa ny ekipam-pirenen’i Afrika Atsimo no tompondaka farany, tamin’ny taona 2019.
Fiofanana Basikety 3×3, ho fanatsarana sy fampiroboroboana hatrany ny taranja basikety lalaovin’olona telo, mikarakara fampiofanana fohy, ny eo anivon’ny federasiona malagasin’ny basikety, anio sabotsy 14 oktobra. Eny amin’ny foiben’ny FMBB 67 ha no hanaovana izany. Ireo tia mikarakara lalao basikety 3×3 no tena voakasik’izany.